Ny toerana fandraisam-bahiny sy fisakafoanana " RELAIS DU ROVA " dia ho hitanao eny Ambohijanaka Soavinimerina lalam-pirenena faha 3 mankany Ambohimanga Rova ary 16km miala ny renivohitra.
Tsara toerana, mangina ary anaty natiora ; ho anareo izay leo ny tabataban’ny renivohitra,mila rivotra madio sy fahanginana dia anisan’ny ahitanareo izany ato amin’ny “RELAIS DUROVA”.
Manana efitrano fatoriana telo karazana izahay:
- Efitrano lehibe 2 sy salasalany fito (7) ary tena lehibe iray (1) izay samy misy fandriana lehibe ho an’olondroa , efitrano fidiovana ,rano mafana ,vata fahita lavitra ao anatiny.
- Misy koa trano iray mahaleo tena misy efitra fatoriana lehibe telo (3), toerana fandraisam-bahiny ary toerana fandrahoana sakafo,misy fandriana lehibe ho an’olondroa, efitrano fidiovana sy rano mafana ary vata fahita lavitra avokoa ireo.
- Manana efitrano fivoriana mahazaka olona 30 izahay;
- Ary misy efitrano fisakafoanana antonona olona 40 ihany koa eto amin'ny Relais du Rova.
- Mandray lanonana toy fampakaram-bady, fifamofoana, tsingerin-taona samihafa; ary anisan’ny mampiavaka anay ny fandraisana lanonana eo antokotany misy ahimaitso, natao hisakafoanana
- Manao nahandro Malagasy izahay sady manao ny nahandro tandrefana,ny pizza,ny kitonotono,ary ny mofomamy isankarazany.
- Misy toerana natokana ilalaovan’ny ankizy ary toerana fiantsonan’ny fiara ary azo antoka.
5km miala eto amin’ny toerana misy ny trano fandraisam-bahiny no misy ny Rovan’Ambohimanga ary 7km kosa no misy ny Vohitra Ambohitrabiby. Tsy lavitra eo ihany koa no misy ny lavabaton’Ambodifahitra sy ny tanàna misy ireo mpanenona lamba landy- Fonohasina no anaran'io toerana io.
- Maro ihany koa ireo tanàna sy toerana mahafinaritra azo tsidihina atao dia an-tongotra na am-bisikileta.
Ho anareo monina na mila ravinahitra eto an-toerana na any ampitan-dranomasina dia tongava fa handray anareo am-pitsikiana ary vonona ny hanome fahafaham-po anareo izahay izay Malagasy toa anareo ihany.